24/10/2009

Bounty

Io vatomamy io dia mahagaga fa mampihomehy ahy sy ilay namako iray izay ny lokony rehefa sokafana ! Mpitsidika eto izy , ha ha ha, aleo asiana resaka kely aloha ary azavaiko anareo !

Voalohany aloha dia io namako io dia virtuel ihany , fa taty aoriana nifankahafantatra bebe kokoa izahay ary lasa mpinamana tena mpinamana tokoa, mpizara ny "manta sy ny masaka" na @ fiainana andavan'andro na ny ao an-doha na rehefa mifampila hevitra kely sy rehefa kivikivy iny eo amin'ny fiainana ! Izany moa ô ?

Dia lasa nifankahalala ary tsy mihafahafa, na dia teo ary ny tsy fitovian-kevitra matetika dia mifamaly ! Rehefa tezitra aho na mandrangitra azy dia antsoiko izy hoe : "bounty" . Izy moa efa zatra dia tsy miraika rahateo.

Fa maninona ary izy no antsoiko hoe "bounty" ? Ity hevitra ity dia niainga tamin'ny Ingahy Colleen Power mpanolo-kevitra an'i Filoha Georges W Bush taloha ; Olona maity izy nefa dia mitovy hevitra amin'ny fotsy hoditra, misaina tahaka azy ireo, ary arahin'ireo fotsy hoditra teny tokoa ! Ity namako iray ity dia tena toa azy iny mihitsy : malagasy be izao izy, nefa dia miaina toy ny vazaha, arahin'ny vazaha teny ! Midonàka mihitsy aho rehefa ilazany ny fomba firaisany amin'ireo tsotsoka ireo ! Mamy hoditra amin'ny vazaha izy, nefa mihaina toy ny malagasy, miteny gasy tsara, ary tia an'i Madagasikara ! Io vatomamy io e ! Mainty ivelany fa fotsy anaty, ary mamy tokoa rehefa sokafana !!!!!!!!! Ha ha ha, zany moa ô ?

Asa raha hihaona aminy ihany aho indray andro any, fa rehefa tonga izay fotoana izay angambany dia mety tsy hahita lazaina toy ny eto amin'ny nety izahay fa samy mangina angambany, samy hisotro ny café voaroso eo ambony latabatra ! Tsy haiko koa izany raha hisy na tsy hisy fa dia hoy aho hoe : "Samia lava andro iainana hifanoratana maharitra !".

Mampamangy indrindra any amin'i Bounty any hono hoe !

Rasoa malagasy

NB : A ne pas manquer ici

Posted by Picasa

1 commentaire:

Anonyme a dit…

Io namako io dia mihevitra fa mitovy daholo rahefa samy olombelona, tsy ny loko no mampiavaka fa ny fomba fisainana sy ny toetra rehetra !!!

Io namako io tsy ampy 20 taona no niala tany Dago ary efa akaiky hisotro ronono izy izao.

Io namako io sahala amin'ny olona rehetra nanaraka ny onjan'ny fiainana.Raha sendra andro sarotra izy, nisy ireo nanolo-tanana nanampy azy. Tsy nijery lokon-tava raha potraka fa nanampy tamin'ny fony sy ny heriny mihintsy.

Tsy nandra anefa izy ka mihevitra fa "tout le monde, il est beau; tout le monde, il est gentil" Nifidy izy ny lalana arahana ka raha tsy misy ny antsy ady dia tsiky no atolony voalohany.

Raha toa izy mitsiky aminao, tsy misy akory ny hevitra ambadika. Tsiky zaraina mba ahamirana ny tavanao, masoandro mamiratra sekondra vitsy.

Io namako io dia manana namana marobe ary lazain'ny sasany fa médium manintona ny hafa. Mahatsapa izy fa raha manararaotra izany, mety ho tapaka ilay rohy firahalahina sy ny fifankatiavana.

Io namako io dia mihevitra fa raha mifanojo ny lalanareo indray andro any tsy hisy ny tahotra sy ny henatra fa ho toy ny mpianadahy ela tsy nifankahita ianareo.