Rasoa anaran-gasy tsara,
Rasoa tsotra manambara,
Rasoa feno fifaliana,
Rasoa an'i Gasikara.
Raha soa ny fifandraisana,
Raha soa ny fihodirana,
Raha soa ny teny gasy,
Raha soa raha malagasy.
Raha soa ny fivavahana,
Raha soa ny fiarahana,
Raha soa ny endriko,
Raha soa ny taniko.
Raha soa ny asako,
Raha soa ny ho aviko.
Raha soa ny fisainako,
Raha soa ny fiainako.
Raha soa maro
Raha soa katsaho,
Raha soa no hita
Raha soa ho vita.
Rasoa Malagasy (23/10/08)
23/10/2008
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
4 commentaires:
ny masculin an'ny Rasoa moa Rakoto? sa Rabe? :P
miezaka mandinika an'ilay izy aho :); Fa tena tsy haiko hoe :
rehefa aiza no
"raha soa = when good" sy ny hoe
"raha soa = good thing"
hihihi
Tokinao
Simp < Mety daholo ry ise a !
Tokinao < ie, misy hevitra 2 ilay izy !
Raha soa moa ka ...
Enregistrer un commentaire